Ny fiangonana Kristadelfiana
(Mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy)
Fampahafantarana ny fikambanana mifototra amin’ny Baiboly.
izay nataon’i Rob J. Hyndman.
1. Modely tamin’ny taonjato voalohany
Ny fiangonana Kristadelfiana dia antokom-pivavahana kely izay miezaka miverina amin’ny finoana sy ny fombafomban’ny fiangonana Kristiana voalohany tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao. Ny anarana hoe “Kristadelfiana” dia efa nampiasaina nandritra ny 150 taona. Avy amin’ny teny Grika roa no niavian’izany teny izany, izay midika hoe “Mpirahalahy sy Mpirahavavy ao amin’i Kristy”
(Matio 23:8; Kolosiana 1:2; Hebreo 2:11)
Firenena 120 no misy anay maneran-tany ary misy sampana lehibe an’ny Fiangonana Kristadelfiana any Angletera, Aôstralia, Nouvelles-Zélandes, Amerika Avaratra, Inde, Azia ary Afrika. Tahaka ny Kristiana tany am-boalohany, izahay dia mivory any an-trano, na any amin’ny efitrano nofaina ary, indraindray, mivory any amin’ny efitrano malalaka izay anay manokana.
(Asan’ny Apostoly 1:13-14; 2:46-47; 18:7; 19:9; 28:30)
Izahay dia manaraka ny modelin’ny fikambanana laïka taorian’ny taonjato voalohan’ny fivavahana Kristiana. Ny vondrom-bavaka tsirairay dia antsoina hoe ”fivoriam-bavaka” (teny Grika “ecclesia” ao amin’ny Testamenta Vaovao izay manondro ny fiangonana). Izahay dia tsy manana mpitondra fivavahana voakarama na ambaratongam-pitantanana ao amin’ny fiangonana. Ny mpikambana ao amin’ny vondrom-bavaka tsirairay dia mifampiantso hoe ”rahalahy” na “rahavavy”, ary mandray anjara amin’ny fikarakarana ny hetsika izay ataonay rehetra. Ny mpikambana rehetra dia manome maimaim-poana ny fotoanany sy ny heriny ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny firahalahinay dia voafatotrin’ny finoana mafy iombonana.
(Romana 12:4-8; 1 Korintiana 12:4-27; Galatiana 3:28)
Izahay dia manaiky ny Baiboly ho toy ny mpitarika tokana anay ary mino fa tenin’Andriamanitra izay avy amin’ny fitaoman’ny Fanahy izy io. Ny maha-mpikambana dia misokatra ho an’ireo izay mitovy finoana amin’izany rehefa avy atao batisa (asitrika tanteraka ao anaty rano).
2. Tantara fohifohy
Maro amin’ireo mpino hatramin’ny andron’ny apôstôly no nihazona ny finoana tahaka ny an’ny Kristadelfiana. Maro tsy tambo isaina ireo vondrom-bavaka maneran-tany izay nianatra tamim-pahazotoana ny Baiboly ary nanaiky ny fampianarany tsotra.
Ny finoana sy ny fombafomban’ny Fiangonana Kristadelfiana dia azo zohina nanomboka tao amin’ny Testamenta Vaovao ka hatramin’ireo Kristiana tany am-boalohany indrindra tamin’ny Taonjato1 sy faha 2 tao amin’ny antotan-taratasy tahaka ny Taratasin’i Clement sy ny Didase ary ny Fiekem-pinoan’ny Apôstôly.
Niaraka tamin’ny fipoiran’ny fahafahana ara-pivavahana tany Eôrôpa nandritra ny Fanavaozana tamin’ny Taonjato faha-16 dia niseho tao amin’ireo antokon’olona mpandala ny Baiboly toy ireo Anabatista Soisa sy Sosiniana Poloney Batista Anglisy taloha dia nanana finoana mitovy amin’izany (eny fa na dia tsy mihazona ireny finoana ireny intsony aza ireo Batista amin’izao andro izao). Tamin’ny Taonjato faha-18, maro tamin’ireo mpitarika lehibe tao amin’ny vanim-potoan’ny Fahazavana tahaka an-dry Sir Isaac Newton sy William Whiston no nihazona ireny finoana ireny.
Nanomboka tany ho any amin’ny taona 1830 ny hetsiky ny Fiangonana Kristadelfiana moderina, tamin’ny vanim-potoana izay nisian’ny fifohazana sy ny fanavaozana tany Amerika sy tany Angletera. Tany Amerika, ny dokotera iray atao hoe John Thomas dia namoaka ilay Fanambaran’ny Fanjakana (Herald of the Kingdom) momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny Fanjakan’Andriamanitra. Tany Angletera, ny mpanao gazety iray antsoina hoe Robert Roberts dia nitondra izay hevitra izay ihany tao amin’ny Masoivohon’ny Vanim-potoana Hoavy (Ambassador of the Coming Age). Tsy nilaza ny tenany nahazo fahitana na fanambarana ho an’ny tena manokana i Thomas sy Roberts fa niezaka fotsiny ho mpianatra Baiboly marina.
Rehefa vaky ny Ady An-trano tany Amerika tamin’ny 1861, ireo fikambanana Kristiana izay tsy niady dia notakiana mba hisoratra anarana ao amin’ny governemanta Iombonan’ny fanjakana tavaratra. Sam Coffman sy ny rahalahy hafa tany Illinois dia nisoratra anarana ho “Mpirahalahy ao amin’i Kristy na lazaina amin’ny teny hoe Kristadelfiana”. Tsy ela akory taorin’izay dia noraisin’ireo andiana mpino mitovitovy fisainana io anarana io tany Amerika sy tany Angletera. Nanomboka teo dia nitoetra tamin’ny firenena maro maneran-tany ny sampana Kristadelfiana mahaleo tena.
3. Ny finoanay
Ny Baiboly
Izahay dia mino fa ny Baiboly irery no hany hafatra nambaran’Andriamanitra ho an’ny olombelona, ary nomena mba hitarika ny tsirairay ho amin’ny finoana sy ny fahatokisana an’Andriamanitra sy ny Zanany. Ny Baiboly sy amim-pahamalinana izy io amin’ny fotoana rehetra mahamety izany.
(2 Timoty 3:16-17; 1 Petera 1:10-12; 2 Petera 1:20-21; Asan’ny Apostoly 17:11; Efesiana 2:20; Romana 16:26)
Andriamanitra
Andriamanitra iray ihany no misy ary mandrakizay sy tsy mety maty Izy. Jesosy Kristy irery no hany zanany lahitokana ary ny Fanahy Masina no heriny.
(Deotornomy 6:4; Lioka 1:35; Asan’ny Apostoly 1:8; 1 Korintiana 8:6; 1 Timoty 1:17; 2:5; 6:16)
Ny olona
Ny olona dia mety maty ary mpanota eo anatrehan’Andriamanitra. Ny sazin’ny ota dia ny fahafatesana izay fiafaran’ny fiainana rehetra.
(Jeremia 17:9; Marka 7:21-23; Romana 3:23; Jakoba 1:13-15; Mpitoriteny 9:5,10; Salamo 115:17; 146:4)
Fanantenana
Ny hany fanantenana ho amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana dia ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra eto ambonin’ny tany.
(Salamo 49:12; Jaona 11:25-26; Asan’ny Apostoly 24:15; Romana 8:22-39; 1 Korintiana 15:12; Apokalypsy 5:10; 20:4)
Ireo Fampanantenana
Ny Filazantsara dia tsy azo sarahina amin’ny fampanantenana izay nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy Davida tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha. Ireo fampanantenana ireo dia tanteraka tao amin’i Jesosy Kristy.
(Asan’ny Apostoly 13:32 sy Genesisy 13:14-17; 22:15-18; 2 Samoela 7:12,16; Lioka 1:31-33; Galatiana 3:6-9,16,26-29)
Jesosy
Noho ny fitiavany dia nandefa ny zanany, dia i Jesosy ilay olombelona izany, tety ambonin’ny tany Andriamanitra mba hamonjena ny olombelona amin’ny fahotany. faty, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
(Matio 1:20-21; 3:17; Lioka 1:35; jaona 3:16)
Ny sorona nataon’i Kristy
Jesosy dia tsy nanam-pahotana. Maty Izy mba anehoana ny fahamarinan’Andriamanitra sy amonjena ireo izay nandray io sorona io tamin’ny alalan’ny finoana. Nantsangan’Andriamanitra tamin’ny maty Izy ka nomeny ny tsy fahafatesana mandrakizay ary nafindrany taminy ny fahefana rehetra tany an-danitra sy tety an-tany, ary nametraka Azy ho mpanelanelana an’Andriamanitra sy ny olona.
(Romana 3:21-26; Efesiana 1:19-23; 1 Timoty 2:5-6; Hebreo 4:14-46)
Ny Fiverenan’i Kristy
Hiverina ety an-tany tsy ho ela indray i Jesosy. Ka hanangana ny maro amin’ireo maty Izy sy hitsara azy ireo miaraka amin’ny velona ary hanome fiainana mandrakizay an’ireo izay mahatoky ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
(Daniela 12:2; Matio 25:31-34; Lioka 21:20-32; Jaona 5:28-29; Asan’ny Apostoly 1:11; 2 Timoty 4:1; Apokalypsy 22:12)
Ny Fanjakan’Andriamanitra
Ny Fanjakan’Andriamanitra dia haorina eto ambonin’ny tany. Jesosy no ho mpanjakan’i Jerosalema; haneran-tany ny fanapahany ary hitondra fahamarinana sy filaminana mandrakizay ny fanjakany.
(Salamo 72; Isaia 2:2-4; 9:6-; 11:1-9; 61:1-11; Jeremia 3:17; Daniela 2:44; 7:14,27; Asan’ny Apostoly 3:21)
Ny Làlan’ny Famonjena
Ny làlana idirana mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia amin’ny alalan’ny finoana. Tafiditra ao anatin’izany ny finoana ny Baiboly sy ny fankatoavana ny zavatra takiany dia ny hoe: miaiky ny fahotany ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra, mibebaka sy atao batisa ary manaraka amim-pahatokiana an’i Jesosy.
(Matio 16:24-27; Marka 16:16; Jaona 3:3-5; Asan’ny Apostoly 2:37-38; 4:12; 2 Timoty 3:15; Hebreo 11:6)
4. Fahasamihafana sasantsasany lehibe
Matetika dia anontanian’ny olona izahay hoe: “Inona no mahasamihafa anareo amin’ireo fikambanana Kristiana hafa?” Ankoatra ny fandaminana miavaka izay misy ato aminay (tsy misy mpitondra fivavahana na ambaratongam-pitantanana), dia maro amin’ireo foto-pampianaranay no somary miavaka amin’ny an’ny ankamaroan’ny fiangonana.
Izahay dia mandà ny foto-pampianarana momba ny Trinite, izay nivoatra taorian’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty noho ny fifandirana nisy tanatin’ny fiangonana (Konsilin’i Nise, 325 taorian’i J.K). Ny Baiboly dia mampianatra fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy saingy na aiza na aiza ao dia “fisiany mialoha” tany an-danitra amin’ny maha-”Andriamanitra Zanaka” azy. Ny Trinite dia mampihen-danja ny asan’i Kristy amin’ny alalan’ny famerana ny tolona nataony ho fanoherana ny fahotana sy ny tena fisian’ny fahafatesany. Fa raha toa ka Andriamanitra izy dia tsy afaka nalaim-panahy na afaka ho faty.
(1 Timoty 2:5; 6:16; 1 Korintiana 11:3; Hebreo 5:8; Jakoba 1:13)
Izahay ihany koa dia mandà ilay hevitry ny maro momba ny “fanahy tsy mety maty” izay mankany an-danitra rehefa maty. fanantenana mandrakizay dia ny fitsanganana amin’ny maty rehefa miverina indray i Jesosy ka hiara-hiaina aminy mandrakizay any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
(Jaona 3:13; Asan’ny Apostoly 2:34; 1 Tesaloniana 4:16)
Izahay dia mino fa ny batisa dia tena ilaina rehefa avy mino sy manaiky ny filazantsara ny olona. Ny famafazana rano ny zazakely dia tsy batisa.
(Jaona 3:5; Kolosiana 2:12; 1 Petera 3:21)
Izahay koa dia mino fa mampiasa ny teny hoe “devoly” ny Baiboly ho tandindon’ny toetra maha-mpanota ny olombelona, noho izany, izahay dia mandà ny foto-pampianarana momba ny mpaka fanahy izay tsy takatry ny saina.
(Isaia 45:7; Marka 8:33; Jaona 6:70; Hebreo 1:14)
5. Ny làlan’ny fiainantsika
Ny Baiboly: boky torolàlana ho an’ny fiainana
Ny Baiboly dia manome torolàlana mahomby ho an’ny fiainantsika. Ny fomba mahazatra eo anivon’ny Fiangonana Kristadelfiana dia ny mamaky Baiboly isan’andro ka mampiasa drafitra famakiana izay manampy anay hamaky amin’ny fomba maty paika indray mandeha isan-taona ny Testamenta Taloha ary indroa isan-taona ny Testamenta Vaovao. mihoatra lavitra noho izany.
(Romana 15:4; 1 Tesaloniana 2:13; Jakoba 1:22; 2 Timoty 2:15)
Vavaka
Izahay dia mivavaka amin’Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra, amin’ny anaran’i Jesosy Zanany araka ny ohatra napetraky ny Testamenta Vaovao sy ny torolalan’i Kristy. Jesosy no mpisolovava anay amin’ny vavaka ary mahalala ny fahalemenay. Ny vavaka izay atao manokana sy atao ao amin’ireo fivorianay dia ampahany manan-danja tokoa eo amin’ny fiainanay.
(Jaona 15:16; 16:26; Romana 8:26,34; Hebreo 4:15; 1 Jaona 2:1)
Asa
Araka ny fampianarana sy ny ohatra napetraky ny Apostoly Paoly, ny Fiangonana Kristadelfiana rehetra dia manana tanjona hamelona ny tenany sy Ialàna ireo asa sasantsasany (ohatra: ny pôlitika, ny miaramila, ny pôlisy, ny asa mifandraika amin’ny lalàna manameloka).
(1 Timoty 5:8; 2 Tesaloniana 3:6-12)
Fianam-pianakaviana
Ny fifandraisana eo amin’ny mpivady dia ampitahaina amin’ny fifandraisan’i Kristy amin’ny fiangonana. fanambadiana dia tokony ho raisina ho zava-masina tokoa. Ny ankizy dia taizaina ao anatin’ny fahalalana an’Andriamanitra ka manatrika ny Sekoly Alahady sy ny famakiana ny Baiboly isan’andro miaraka amin’ireo ray aman-dreniny. fianakaviany no karakarain’ny firahalahiana.
(Efesiana 5:22-33, 6:4; 1 Timoty 5:4)
Fanomezana
Ny Fiangonana Kristadelfiana, ny olona tsirairay avy sy ny fikambanana miaraka, dia samy mandray anjara amin’ny asa fanasoavana sy ny fanomezana avokoa. Ohatra, izahay dia manana trano fitaizana sy tranom-bahiny maromaro izay natao ho an’ny beantitra.
(Galatiana 6:10; Jakoba 1:27, 2:15-16; Matio 6:1-4; Jaona 6:26)
Izahay dia tsy mitaky ny fahafolonkarena (fanomezana ny 10% amin’ny fidiram-bolanay ho an’ny fiangonana) satria ny fahafolonkarena, ao amin’ny Testamenta Taloha, dia tokony nomena ny mpisorona (taranak’i Levy) izay efa nofoanana ankehitriny. Testamanta Vaovao dia hoe mila malala-tànana amin’ny fanomezana, saingy tsy mamaritra habetsahana mazava tsara kosa izany.
(Nomery 18:24; Hebreo 7:1-28; 2 Korintiana 9:7; 1 Timoty 6:18)
Ny Finoana sy ny Fahasoavana
Izahay dia miezaka ny miankina tanteraka amin’Andriamanitra ary mampivelatra ny finoana izay mitarika amin’ny vavaka sy amin’ny asa tsara. Etsy andanin’izay koa anefa, izahay dia manaiky fa ny famonjena dia avy amin’ny alalan’ny fahasoavana.
(Efesiana 2:8)
Miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra, izahay dia miezaka ny mankasitraka sy mankatò azy isan’andro, ary miezaka ny manahaka an’i Kristy izay nankatò tamim-pahatokiana tanteraka ny Rainy. Noho izany, izahay dia miezaka hampiseho fifaliana eo amin’ny asa, hahatoky eo amin’ny fanambadiana, halala-tànana eo amin’ny fanomezana,
hanokan-tena amin’ny fitoriana ary hifaly ao amin’Andriamanitray.
6. Ny finamanana, ny fiderana ary ny fijoroana vavolombelona ao aminay.
Fivoriana
Izahay dia mivory indray mandeha isan-kerinandro mba hidera an’Andriamanitra sy hahatsiaro ny sorona nataon’i Jesosy Zanany amin’ny alalan’ny famakiana ny mofo sy ny fisotroana ny divay. mpikambana vita batisa rehetra dia mandray ny mofo sy ny divay.
(1 Korintiana 11:23-26; 12:13; Matio 26:26-30)
Ankoatra ny fandraisana ny mofo sy ny divay, io fivoriana io dia miompana amin’ny vavaka, ny famakina toko roa na telo ao amin’ny Baiboly, hiram-pivavahana sy hira ary “famporisihana” (teny fampaherezana) mifototra amin’ny Baiboly. Rahalahy iray hafa no hiteny isa-kerinandro.
(Efesiana 5:19; 1 Timoty 4:13; Hebreo 3:13)
Ny fandraisana anjara amin’io fivoriana io no ivon’ny fiainana ara-pinoanay. Ny ankabeazan’ny firenena rehetra dia manao io fivoriana io amin’ny andro Alahady, kanefa mety atao amin’ny andro hafa ihany koa izany (ohatra: Asabotsy any Népal ary Zoma any Bangladesh) raha toa ka andro natao iasana ny andro Alahady. mandritra ny Sekoly Alahady sy any an-trano.
(Asan’ny Apostoly 2:42; 20:7, 1 Korintiana 16:2)
Ny ankamaroan’ny sampana eo an-toerana ihany koa dia manao kilasy iray na maro ho fianarana Baiboly amin’ny hariva mandritra ny herinandro ary hetsika ho an’ny Tanora ihany koa.
Ny fianarana Baiboly
Ny Fiangonana Kristadelfiana dia tsy manana sekoly ara-teolojika na seminera, fa hosolon’izay kosa dia misy ny Sekolin’ny Baiboly ho an’ny mpikambana rehetra. Isan-taona dia maro ny Fiangonana Kristadelfiana izay mandany herinandro iray na faran’ny herinandro maromaro any amin’ny Sekolin’ny Baiboly na any amin’ny Lasy Fianarana Baiboly izay atao any amin’ny efitrano hofaina amin’ny oniversite na amin’ny fiangonana hafa. Any amin’ireny fianarana ireny dia matetika misy mpanao lahateny roa na telo izay hiresaka momba ny hevitra maro isan-karazany ao amin’ny Baiboly.
Fandaminana
Miahy ny tenany manokana ny ‘fivoriam-bavaka’ tsirairay. Tsy misy ‘mpitarika’ nasionaly na iraisam-pirenena na ‘birao foibe’. Kanefa, ny Fiangonana Kristadelfiana dia mifampizara finamanana maneran-tany izay mifototra amin’ny finoana iombonana. Amin’izay dia mitovy bebe kokoa amin’ny fianakaviana ny fifandraisana eo amin’ny samy vondrom-bavaka raha oharina amin’ny an’ireo fiangonana mahazatra. Io no modely ao amin’ny Testamenta Vaovao.
(Efesiana 3:15; 4:1-6, Jaona 1:6-7)
Ny fiangonana tao Jerosalema tany am-boalohany dia nanana loholona roa ambin’ny folo izay mpiandraikitra ny “fitoriana ny teny” (fitoriana sy fampianarana) ary diakona fito mpiandraikitra ny “fanompoana ny latabatra” (fifanampiana). Torak’izany ihany koa, ny fiangonana tany Efesosy dia nanana mpiahy (ara-bakiteny “eveka”), izay midika hoe loholona. Izahay dia mampiasa ny modely mitovy amin’izay ka misy fivondronana rahalahy ao anatin’ny fivoriam-bavaka tsirairay izay mpiandraikitra ny fitantanana ny fivoriam-bavaka. Izahay dia tsy manana pastora voakarama.
(Matio 23:8-11, Asan’ny Apostoly 1:23, 6:1-6, 20:28)
Asa fitoriana
Ny fivoriam-bavaka tsirairay dia miezaka ny mitory ny vaovao mahafaly momba ny Fanjakana ary mampianatra ny anaran’i Jesosy Kristy ao anatin’ny faritra misy azy ireo.
(Asan’ny Apostoly 8:12, 28:31; 2 Timoty 4:2)
Ny mpikambana sasany dia mandeha mankany ampitan-dranomasina mba hitory sy hanampy ireo rahalahy sy rahavavy any. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo dia tsy karamaina.
(Asan’ny Apostoly 20:33-34; 1 Tesaloniana 2:9)
Ny Fiangonana Kristadelfiana dia mikarakara Semineran’ny Baiboly sy Lasin’ny Baiboly any amin’ny firenena maro ary mizara lahatsoratra sy gazety boky mikasika ny Baiboly izay maimaim-poana. Tahaka an’i Paoly dia tanjonay ny “mitory ny Filazantsara maimaimpoana”.
(1 Korintiana 9:18)
Fanasana
Ny Fiangonana Kristadelfiana dia vondrona mifandray am-po izay miasa amin’ny fanompoana an’Andriamanitra na inona na inona fomba ahafahanay manao izany.
Raha toa ka tianao no hahazo fanazavana fanampiny dia azonao atao ny mijery ny tranokalanay:
na manoràta aty amin’ny:
Christadelphian Bible Mission
c/o 404 Shaftmoor Lane,
Hall Green
Birmingham
West Midlands B28 8SZ,
England.